You are here: home > Vetso

LESON'NY FIAINANA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

LESON'NY FIAINANA

Raha iny mipetraka iny,
Ka mitodika ny lasa ;
Lasa ihany ny eritreritra,
Mamisavisa ny fahiny.
Ny tontolo sy ny kinasa,
Ny olana tsy mety ritra.

Rehefa sendra mamindra iny,
Lavidavitra ny lalana aleha ;
Mitamberina ao an-tsaina,
Ireo kiana, fanomezan-tsiny.
Totoafo isaky izay mandeha ;
Tena nankalemy fo sy saina.

Rehefa tonga ny fotoana,
Hangalana ny torimaso ;
Lasa ho azy ny fisainana,
Mibanjina ny manoloana,
Mitodika ny tsy taza-maso.
Izany tokoa ve ny fiainana.

Maro ny lalana nodiavina ;
Tao ny mora tao ny sarotra,
Ny nisosa sy ny namahatra,
Ny niiba tsy hita ho lavina,
Ny niabo toa  nasalotra,
Izany tokoa ve no lahatra.

Efa nivalona daholo izany.
Lasa tsy nimpody intsony.
Lasa nisy fa tsy nampino.
Lasa anefa fa tsy fanadino.
Lasa nijanona ampitan'ny ony.
Leson'ny fiainana daholo izany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Oktobra 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha