You are here: home > Vetso

MAHALASA FISAINANA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

MAHALASA FISAINANA

Mahalasa ny fisainana, ity mahazo an'i Madagasikara.
Raha avadibadika sy dinihina, ny takelakin'ny tantara.
Be ny zavatra mifamahofaho, be tokoa ny azo ambara.
Toy ny saonjo iray lohasaha, ka be koa ny mamarara.

Tamin'ny andro tany aloha, mandry, tena milamina ny tany.
Na aiza na aiza aleha, tsy misy tahotra, na koa tomany.
Ny fomba fiisainana koa avo, fa tsy mirefarefa amin'ny tany.
Ny fiainana ara-piaraha-monina, tena tsy misy ohatra izany.

Ny ray aman-dreny, voahaja, andry iankinan'ny vovonana.
Ny zoky be toa ray, maha afak'olan-teny amin'ny lanonana.
Ny zandry mahaleo mahalasa, hoy ny voalazan'ny ohabolana.
Ny vehivavy mipetraka ravaky ny trano, masoandro amam-bolana.

Ny fiainana andavan'andro tsara, kanto, mamerovero sy manitra.
Manana aman-jatony mandeha miantsena, efa tena salanitra.
Ao an-tokantrano voky, tretrika, efa mila ho takatra ny lanitra.
Mifaly, miredona, sy midera, ary mankalaza an'Andriamanitra.

Ankehitriny kosa anefa, tsy mandry, tsy milamina ny tany.
Noho ny herisetran'ny sasany, be ny maty, be ny tomany.
Ny fomba fisainana koa, tena mirefarefa amin'ny tany.
Ny fiainana andavanandro, mikorontana ambony ambany.

Ny ray aman-dreny mazàna, tsy voahajan'ny ankohonana.
Ny zoky tsy hialoava-mandeha, indray matetika no songonana.
Ny zandry maha afaka olan'entana, mihevitra azy ho vovonana.
Ny vehivavy mandeha ravaky ny làlana, lazaina fa mitonatonana.

Ny fiainana andavanandro, tena sarotra no mampitaintaina.
Manana aman'arivo miantsena, indraindray mody maina.
Ao an-tokantrano noana, na ho an'ny miasa mafy na malaina.
Izay rehetra jerena, diavina, toa tany an'efitra sy karakaina

Inona ary no hatao amin'izany zava-misy rehetra izany ?
Tsy misy mana avy any an-danitra io, fa ny fiezahana ihany.
Hanova fomba fisainana, fihetsika sy fitondran-tena hatrany.
Hifanaja ary koa hifampitsinjo, raha mbola tany koa ny tany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
14 Janoary 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha