You are here: home > Vetso

TSY NY TSARA IHANY ... - Rasamindrakotroka Andry Tiana

TSY NY TSARA IHANY ...

Maro ny zavatra iainana,
Eo amin'ny andavanandro ;
No tena ilaina fandeferana,
Sy fotoana koa isainana,
Mba ahafahana mitandro,
Ny tsy hisin'ny hatezerana.

Misy ireo izay manenjika,
Tsy any aloa fa any afara.
Mihevitra ny hamingana,
Mifofotra ny handrendrika,
Mikendry foana ny hahatara,
Sy ny hanapitra tamingana.

Maro tsy toko tsy forohana,
Ireo izay  miezaka mifosa.
Tsy tokony ahataitra izany.
Na misy aza ny manohana,
Ny andavanandro aleo hisosa,
Tsy misy rototra amin'izany.

Misy koa ireo mpanatsatso,
Mahita foana ny hambakaina,
Hanaratsiana ny zava-tsara.
Mahavita ny miantsoantso,
Ireo mbola  miroaroa  saina,
Hanova ny fotsy ho maramara.

Ao  koa moa  ireo mpialona,
Mahita  foana ny holazaina.
Mijery hatrany anaty vilany,
Trondro maina  sa amalona ?
Amin'izay misy hotantaraina,
Miaro fanaratsiana sesilany.

Izany ny sain'ny mpanaratsy,
Mifampisintona foana midina,
Tsy mifanohana mba hitraka.
Fa toy ny kongona sy parasy,
Tsy misy afaka ny manidina,
Fa lany  andro  mifampikapa.

Na maro aza ny mpanenjika,
Na betsaka koa ny mpialona,
Na  misy aza ny mpanatsatso ;
Ny marina hamadika ho herijika,
Hery handrisika  ny hamalona,
Ka ho lasa mamy ny matsatso.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Aprily 2019

Hevitra mandeha

s19andry5851 (08/04/2019 00:59:47)

Eo amin'ny fiainana, be ny zavatra mety miseho, maro ny tsara, mety misy koa ny ratsy. Tsy tokony hahakivy izany, tohizo ny lalana fantatrao fa tsara, miaraka amin'i Tompo mandrakariva !

Hametraka hevitra

Midira aloha