NY TENA TIA Ny tena tia t (as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENA TIA
Ny tena tia tsy mba mahafoy
na miady aza indraindray;
Fa satriny foana hanohy
ireo fiarahana hatrizay!
Ny tena tia tsy mba mahay
mampirafy anao izany,
F'ianao ilay tokana iray
tiany indrindra ety an-tany!
Ny tena tia raha saro-piaro
tsy hoe tsy matoky velively,
Fa izao no antony ka fantaro:
tiany ianao ho azy irery!
Ny tena tia tsy mahay manolo
na miova olon-tiana intsony,
F'efa nomeny anao daholo
ilay fitiavana ao am-pony!
Ny tena tia ihany koa
dia fitia no tadiaviny,
Fa tsy mitady tombontsoa
amin'ny olona tiaviny!
--------
Rohy:
3754 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144