ANATRA Anaka, Indro lehib (as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANATRA
Anaka,
Indro lehibe ianao izao
Nilaozanao ny fahazazana
Ka hidiranao ny hatanorana
Koa inty teny kely ho anao.
Dia sombin-teny mba voaraiko
'Zay niloatra avy ao am-po
Inoako fa mety hahasoa
Anao izany sombinaiko.
Koa miangavy aho mba henoy!
Ny fahendrenao ry aiko
Izany no tena ilaiko
'Reo ditraditra,hadinoy.
Eny!Hitia koa ianao satria
Ary elatra,tonga taona
Ary ho tojo sy hihaona
Amin'ilay tiana sady tia.
Tiavo izy,izay no iangaviko
Fadio ny hoe:toetra mamoafady
Tadidio fa ianao manaja vady
No mba reharehako sy hany fifaliako.
Raha sendra fifamaliana
Mahaiza mifandefitra
Mahaiza miady hevitra
Fa izany tsy vidiana.
Aoka ianao ho môdely
Ao amin'ny ankohonana
Tandremo ny fironana
Amin'ny haingo fa mahavery.
Misaotra sombinaiko!
--------
Rohy:
1403 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103