TSY NAMPOIZIKO Tsy nampo (as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NAMPOIZIKO

Tsy nampoiziko ho ianao ry tiana
No nahavita namadika ilay dina
Sahy nanitsaka ilay voady tena tsara
Nifanaovantsika teo ambony alitara.

Tsy nampoiziko ho ianao no sahy
namitaka ny foko ka nampirafy ahy,
nandrava ilay fiarahana akia
Ary nandratra ilay foko mbola tia.

Tsy nampoiziko ho ianao tokoa iny
Nifanoroka tamin'iny olona iny
Ka nahaontsa sy tomany izany foko
Ary nahatonga alahelo sy toloko.

Nefa!
tsy ho ampoizinao koa fa
izaho hahavita hitia olon-kafa
Ka hanadino ny anaranao
Ary hanova pejy vaovao.
--------
Rohy:
1367 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114