ALEO Aho! (as'n guitariste)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko ry zoky tsisy ahy teto an-tany
Fa ny andro iainako toa Feno tomany
Aleoko matory ka tsy hifoha intsony
Eny, aleo aho faty amin'izay aho hotony
**"*"*""""*"*****""
'Lay volana mba niratra omaly
Zary haizina be toa nankarary
Kivy aho ry Zoky, tena resin'ny fiainana
Aleo aho handeha fa tsisy hitarainana
+++++++++++++++++
Mafy ry Zoky no niainako teto
Tsofy rano aho handeha raha toa sentosento
No hany Anjara ho ahy eto an-tany
Dia avelao zaho handeha fa efa voky tomany
****************
NY foko ry Zoky toa zary efa rotika
'Ty nofoko koa madiva ho potika
Aleo aho handeha fa ela nihafiana
Hiadam-pinaritra ao am-pasa-mangina
--------
Rohy:
1290 2
Mpakafy: haraldtohaina - rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0178