(as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
※Eny hoy aho eh..... ※
Dia noheverinao tokoa
Fa tsy handratra izato foko
Tsy an-kena maso akory aza
No nasahianao nilaza
Tsy tao an-tsainao io mihitsy
Hoe izaho mba mety ho kivy
Fa tonga dia nambaranao
Marary n aiko hatramizao
Foana marina aminao
Ireo lasa nifamaho
Indrisy mantsy izato ianao
Toa nilaza ny hifandao
Tsy tao an-tsainao io angamba
Matoa ianao tsy nihambahamba
Nilaza hoe tsy tiako ianao
Ny mety aloha dia mifandao
Dia ninoanao io mantsy
Ilay teniko nanatoka antsy
Rehefa izaho nilaza hoe
Tsy maninona ary eh!
Mizòra ary ry ilay tiako
Hoento koa ny fahoriako
Aoka ary aho fa hiala
Veloma ianao ry malala
--------
Rohy:
19 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169