ny ianao tsy tany, Nahava (as'n guitariste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny ianao tsy tany, Nahavatra teny mamy! Tambitamby ho azy, Ny toky sy voady! Hampiakatra ho vady. Hay kabary am- bavahady, Ihany izy ireny,fitaka fahatany; Ireo toky lokaloka, Fa rehefa hitanao bevohoka, Nisy foron-jaza, Ary zanakao mazava. Dia iny ianao no niala ; Ninia tsy nahalala, Ny tena zava-nisy. Fa lasa ianao nidify. Namela azy irery, Ho kinakitry ny fery. Eny,ho Reny kelikely, Ity tsy manan-tsiny. Anefa ianao iny, Tena ianao tokoa 'lay mpilalao ny lapany tokana nandrasany, Ankehitriny izy voa Dia sahinao tsotr'izao Hoe :tsy zanakao ny ao.
--------
Rohy:
1134 1
Mpakafy: hasina poeta
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137