Nofinofy ... (Charlotte)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofinofy ...

Zany nofinofiko
oe izy no ho tatanako
Handray ny fitiavako
dia zaraiko izay ananako

Nofinofy adaladala
oe izy no ho tamana
Hitondra hafanana
Dia antsoiko oe malala

Nofinofy neny ny tenako
oe izaho no ho anjarany
Ilay nofy tsy anenenako
Raha omeny ahy ny tanany

Nofinofy ihany zany
mety tsy antenaiko
Nefa raha misy fo mitempo any
dia taterak'ilay nofiko

charlotte
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
1083 2
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 25/10/2016 07:34)
Ny nofiĀ² nge bdb n tateraka e!
megatsino ( 25/10/2016 18:47)
Fa ny nofy ko malasa adala refa tsy zaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0388