Naleony maty ... (Charlotte)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Naleony maty ...
.
Enao anie mba tiany
tiany izarana ny afaliany
Indrisy anefa izany
fa nanjary fijaliany
.
Enao koa no nantenainy
oe amafa ny alahelony
Indrisy anefa izy nitaraina
tsy enonao ny feo maleminy
.
Dia narary moa ny fony
tsy zakany ny onjan'ny fitia
Indrisy ino raha nataony?
namoy fo fa tena tia
.
Ka notazominy ho azy irery
ny ratrapony sy ireo fery
Ary ho tsiambaratelony
ho azy irery ny alahelony
.
Teny farany mba napetrany
mialohan'ny nahafatesany
Oe indrisy ianao ry diampeniko
dia hifarana atreto
Satria tsy zakako ny mitia
nankarary ahy ilay fitia
izy reha tiako, fa hataoko aona moa
aleo zaho ho faty, ary atory tsy ifoha
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Alahelo - Fitiavana
1408 1
Mpakafy: megatsino
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2424