Ampidiro aloha ny tenimiafina
Fitiavako any neny (Charlotte)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitiavako any neny ....
Misy fitiavana iray
eny atramizay
Mitombo ombieny
dia ny fitiavako any neny
.
Izy namahana nitaiza
fony aho mbola zaza
Tambitamby re izany
nanome fitavana aokizany
.
Fitia tsy mitanila
tsy adino na rahoviana
Izay miraikitra ao am-poko
sy mandravaka ny foko
.
Ilay nisotro ny tsy fisotro
nony izay fisiako
Aman-taona nitrotro
sy nitondra ahy ankibo
.
Satria kitapo nifonosako
ary dobo nilomanosako
ka niankin-dridrina irery
dia mbola ianao ry neny
.
Tiako enao ry neny
tiako atraniatrany
ilay fitiavana nomeny
tena mamy re izany
.
Misy fitiavana iray
eny atramizay
Mitombo ombieny
dia ny fitiavako any neny
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
megatsino
