Tsy ho adinoko... (Charlotte)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ansoparanao ry tany no tsy ahitako azy intsony
Enao tsy mba niteny oe ho alainao ny fony
Ka ivavahako mangina izy satry tsy fanininy
Ny nandaozany ahy tampoka eny tamininy
.
Ao ampoko tsy hiala ny fitiavako azy iny
Satria sarotra fafana ny tantarany fahiny
Voafatotra ny foko nefa izy tsy iverina
Sady tsy afaka ny itambatra ny maty sy ny velona
.
Dia nifarana atreo ny amin'ilay malalako
'zaho reha tsy anadino fa tsorovy any ny anarako
Tiako anie izy saingy mitoy ny ahy ny fiainana
Veloma ry sombiniako, mandria ampiadanana
.
Charlotte
--------
Rohy:
1568 1
Mpakafy: megatsino
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1406