Ny helanelan-tany (Charlotte)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny helanelan-tany ...
.
Ny helanelan-tany
tsy ampiova ny fitiavako
Mbola ho oavy 'dray andro any
isanandro ianao ho tantanako
.
Lavitrin'ny maso
f' inao akaikin'ity fo
Ny alavirana izany
tsy ampiova antsika roa
.
Dia hitambatra iray isika
hitambatra ho vato
Ny fitiavako anao ny ahy
ampy ho solon'ny sakafoko
.
Fa tsy matsiaro noana aho
fa manana anao
Satria satriko fonafona reha
ny eny anilanao
.
Ry masoandro mibaliaka
'zay mivimbina hafanana
Tsy azo avela hipitrapitra
f' ianao no taratra hazavana
.
Ahitako ny hafaliana
sy ahitako ny antsarana
Ianao 'lay vonikazo tsy voarara
ka ho antsoiko oe malala
.
Ny helanelan-tany
tsy ampiova ny fitiavako
Mbola ho oavy 'dray andro any
isanandro ianao ho tantanako
.
Charlotte
--------
Rohy:
1441 1
Mpakafy: megatsino
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149