Kamboty ... (Charlotte)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndrisy ilay saika nianteherana
indro efa nandao
Tsisy tsony ny intarainanana
satria kamboty enao
.
Iza ndray no anambitamby
tsy mba reto havana
Voamaik'ireo mandrabiraby
ilay kamboty tsy mba manana
.
Ka rehefa ny havana mitaiza
enao tsy afaka ny iangoty
Fa voabaiko hatraizatraiza
Satria enao anie kamboty
.
Io na misakafo aza
enao lo minakanim-pitoloa
Saingy indrisy arahin-datsa
dia mankarary fo
.
Eee! mipetraka amin'ny havana
ny kamboty malahelo
Fiafiana no mba namana
hidio tsiambaratelo
.
Charlotte.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana - Alahelo - fiainana
1599 1
Mpakafy: megatsino
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145