MIVERENA (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIVERENA


Maraina ny ririnina
No nandao ahy ianao
Mangidy toa kininina
Ny tao am-bavako ao


Reo tositosy mamy
Sy malala tiako ianao
Tena vatomamy
Ho doria zaho sy anao


Lay andon'ny maraina
Teny amoron-drano
Dia nanjavona sy maina
Zary arira sy angano


Lay takariva amorom-patana
Niady lay ankalana
Mangatsiaka zany vatana
Niandry anao mahalana


Raha miverina ianao
Amin'ny andro vao maraina
Ny foko efa anao
Mandrosoa fa aza malaina


Raha toa ka tolak'andro
Tsenao any am-piasana
Na manerika aza ny andro
Tsy miova lay ora firavana


Miverena ry malala
Na sengondra iray ihany
Maro be ny mpankahala
Zay misopatra eto an-tany


Ianao no fanafody
Hanasitrana ity fery
Andeha aho ka hody
Tsy hitoetra eto irery


Miverena.......
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1502 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142