You are here: home > Vetso

NY SORATRA - endrika01

Azo vakiana?

                                           NY SORATRA!

Tsy ny soratra no tsara
Fa ny fo zay manambara,
Ny alahelo  fifaliana,
Raha lavitra olon-tiana!


Tsy ny soratra no marina
Raha misy ho fantarina
Fa ny vava 'zay miloaka,
Ny ao am-po tsy mivoaka!


Tsy ny soratra no maizina,
Raha toa tsy maintsy  hofaizina
"Reo mpandika ny lalàna
Izay tsy azony ialana!



Dia ny soratra no apinga
Ary koa ny saina kinga,
Raha mahay mampitraka
Sy Mandalina,mamakafaka!


Hevitra mandeha

Mysento (02/08/2009 14:00:37)

sorato ,iany.

endrika01 (08/08/2009 06:09:25)

Marina izany!!!

ANJARA7 (23/08/2009 11:26:12)

fa ny teny dia mandalo fa ny soratra mitoetra

endrika01 (23/08/2009 11:44:29)

zany an!!!!
Ekena.

Arofanina (05/06/2015 09:19:08)

Mazotoa manoratra hatrany e!

endrika01 (05/08/2015 15:50:40)

Arofanina / mety hijanona ihany refa vizana ny tanana an!

Arofanina (08/08/2015 09:56:32)

Rehefa gina ny aingam-panahy
ka ritra ny tsiaro sy tsiahy
ny soratra mety hitsahatra
miandry maraina hitaratra...

Hametraka hevitra

Midira aloha