You are here: home > Vetso

SAO TSY FANTATRAO ! - endrika01

                                            

Sao tsy fantatrao
Fa ny resaka mivoaka
Tena mankalao
Mampirifatra hitsoaka

Matoa notantaraina
Taminao samirery
Tano mafy aza lazaina
Amizay ianao tsy very

Sao tsy fantatrao
Ny manavaka ny fosa
Ka atao an-kilabao
Satria ianao kanosa

Sao tsy fantatrao
Fa ny "tsy izaho" fa "izy"
Izay ifamaliana ao
Dia hiteraka betizy

Mijoroa hatrany hatrany
Mahaiza koa manavaka
Raha hitantatra ihany
Mba tsy ho any an-davaka


                            io takoritsika io......

Hevitra mandeha

ANJARA7 (30/06/2009 11:45:05)

bravo aky endrika a!tena hita olon kedry sy azo ametrahana fitokisana ndry!manoratra fona tonokalo fa tena mahayndry,

ANJARA7 (30/06/2009 11:45:06)

bravo aky endrika a!tena hita olon kedry sy azo ametrahana fitokisana ndry!manoratra fona tonokalo fa tena mahayndry,

oliviah (01/07/2009 15:24:10)

ny mpifosa any afara foana.marina be

endrika01 (02/07/2009 10:08:16)

ANJARA7>Aza dokafana be loatra e,fa sao ...
Voaraiko ny vetso nalefan-dri ho ahy,nilatsaka ny ranomasoko!!!

endrika01 (02/07/2009 10:26:46)

Oliviah> matoa ny hafa mifosa olona iray,dia manana ny mampiavaka azy lay olona iny,dia lasa ilay takoritsika kely maro be,miampita etsy sy eroa!

endrika01 (15/08/2009 14:12:55)

ANJARA7>FALY VE NDRY

ANJARA7 (16/08/2009 15:09:40)

misaotra betsaka aky a!zao za faly be

Hametraka hevitra

Midira aloha