TOLOKO (endrika01)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOLOKO!!!!Ity foko manirery
lavi-tiana an-tanin'olona
eny ekeko fa tsy an-tery
raha mafy zany tolona
Ho giazako mangiana
na ho mety fahantrana
sy hahatonga fahoriana
lay toloko tsy voatana
Hokoloiko fatratr eny
mba tsy handratra ny olon-tiana
tsy ho tanisaiko an-teny
na ho averiko ombieny
Ry toloko ô! ampangino
'lay talahonao iny
eny!mety tsy hampino
ireo lasana fahiny
Efa niezaka aho ny hamehy
ireo toloko tato am-poko
nefa indrisy ny tarehy
no nanan-kevitra misoko!
--------
Rohy:
Sokajy :
Tontolo iainana - Namana - Fiononana - Eritreritra mandalo - embona - Fahatsiarovana - Fisarahana - Alahelo - Aingam-panahy - fiainana
Hevitra mandeha

Mysento
(
25/08/2009 13:38)
lavi-tiana angah!

endrika01
(
11/10/2009 06:40)
lavitriny havana tiana!De mirediredy

nyratsima
(
13/10/2009 18:08)
tsara ny aingapanahy e !

endrika01
(
14/10/2009 21:30)
Sotsa e!

andry 1000
(
17/04/2015 10:46)
tsy rediredy kah!! efa nisy fotoana toa anao koa za!! fa tsarovako ny taniko, de tandrovako ny teniko..fa rehefa irery ianao de miainga ho azy ny fanahy e! tsara le tononkalonao

endrika01
(
17/04/2015 10:50)
zany an,marina tokou izany! misaotra é!