You are here: home > Vetso

IZA ARY IZY (namana serasera KODITRA) - endrika01

Azo vakiana?

                                           IZA ARY IZY ô


Miondrika aho mandray ny penina
Efa mihoatra ny aminy enina
Ny zavatra voakarakara
Dia ho tantaraiko eto tsara


Izaho anefa tena noana
Ny taratasy misavoana
Tsy nataoko hahataitra firy
reo mpanotany hoe:efa am'firy?



Angamba hisy hanontany
Na ho lasa embona any ho any
Fa dia nahoana loatra ry endrika
tandremo lahy tsy ho rendrika


Ity vetso ity dia atolotro
Ka ho sokafako ny molotro
Hoan'ilay namantsika iray
Be hatsikana sy hanihany 'zay


Izy aloha tena sariaka
Ny ho tezitra aminy ,tena tsisy fika
ka na vavy izy io na lahy
Tiako ny mikozy aminy zalahy


Ao ny namana voarotsirotsy
Ampanan-tenainy bodofotsy (hi hi hi)
tsy ny rehetra akory
Fa sao sondrina resi-tory


Ny ambangovangony tsy misy
Ka aza atao hoe indrisy
Fa izay tsotra no tadiavina
Ny vetsoko aza lavina


Zaho mantsy mody ankizy
Dia faly manadala izy
Adalaiko refa alina
ka nandefa saina lalina(hi hi hi)


Io namana io tsy mitady
Hevitra ilaina ady
Fa ny tononkalo tena tsara
Amizay ny dinika ho voakarakara

             Iza ary izy ô,akamantatra ve/ i KODITRA ngefa ô!

Hevitra mandeha

koditra (28/06/2009 18:53:02)

hihihihi.
Misaotra ny mpanoratra eh!

oliviah (29/06/2009 20:12:18)

Endrika o ! za koa hanorato e

endrika01 (02/07/2009 10:00:04)

Koditra>zah nge efa natahotra be eee,hi hi hi
Tsy nalefako doly aza le izy
fa sao zah mahazo,inn reh e...tsy tadidiko teo ndray knou!

endrika01 (02/07/2009 10:03:44)

Oliviah> Rehefa tsy masiaka amiko tsony ndri,dia hanoratako! Kouny moa zandry e!!!. :-*

oliviah (12/07/2009 09:16:57)

aiza fona e?

endrika01 (12/07/2009 10:08:06)

Oliviah>mila miandry kely ndry.:D

oliviah (22/08/2009 13:25:48)

Tsi mbola tonga v le aingampanahy ry grand a!

endrika01 (23/08/2009 10:07:25)

hoavy fa mbola miandry foana aloha,

Hametraka hevitra

Midira aloha