SADAIKATRA ! (endrika01)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SADAIKATRA !


Tara-bola-manjopika,atsefatsefan-drahon'iny
narahi-maso,tsy nipika,any ianao ry olon'iny!
nalahelo mafy anao,ka torovana fanahy!
valalanina niandry ,zay havalinao ahy!
Toa tsy ho reny,na mba hitany akory
zany rehetra retra izany!
fa mamindra anjambany ihany,'reto tongotro ankiroa!
maniry mafy ny higadona eo am-baravaranao!

Mievaeva toy ny volom-borona entin-drivotra ity zaho,
sanatria,no azoko ilazana,ireto ratsam-batako
nitady izay mba hiantorahana,hamikirana!kinanjo toa
tsy nisy ,fa nisosa mora,Eny!nanantena fa ho eo ianao
hitanty hatrao ambany,raha sendra ka mianjera
fa tsy resaka vinany!!

Oh!aiza anefa no ahafahanao maminavina izany
eritreritro eto izany!
iza no irahiko,hibitsika aminao,in-droa na in-telo
na indraika monja,fa mavesatra tsy zaka ilay onjan'
ny fitia miboiboika ato anaty mila anao!

Eny! tsy ho hitanao akory,ireo fihetsiko rehetra
zay nasehoko hatry ny ela,
fa hay izaho irery sisa no tavela
teo ambonin'iny rahona iny

'zay lasana lavitra ankehitriny
nitondra ireo nofinofy maro tsy voalaza!
ka hofidiny ahy va reh,raha tonga izao ny ora
hilazako aminao,'reo tahirim-pitia tsy
nomeko an'izan'iza, fa notehiriziko ho anao!

Eh! tsapako sahady ,fa tsy ho ela intsony!
dia hipaika ilay ora,ho foana ny alahelo!
satria ianao ilay nandrasako!
hamintinako ny lasako!


Sadaikatra aho.....!
--------
Rohy:
2128 0
Hevitra mandeha
oliviah ( 27/06/2009 10:31)
mbola eo ambony rahona foana ve njy ry Grand an hi i
endrika01 ( 28/06/2009 08:27)
rehefa manoratra anie ,dia tsy maintsy hoe:
Eny ho eny ,ny toerana misy anao!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099