Longoa mitoto-bozaka (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Longoa mitoto-bozaka


Ny tsipolipolimanitra erỳ anjaridaina
No nanintona ny maso
Ka nanjary hampiasa saina
Ny fataka telo ravina erỳ an-tsisimboly
No nahalasa ny eritreritra
Ka nandrendrika ny fony.

Hay tsikobokobondanitra terỳ andohasaha
No nandevilevy mafy
Nanaitra ny ambiroa, ka nampahory ny fanahy
Irony Tsindahoro maniry amoron-dalana
No nanaisotra ahy teo
Tsy hipody intsony ,ka handao anao mahalana.

Tsinkafonkafona mitsiry eo ambony rano
Noheveriko ho finidy
Hay!ho zezika rampitso ,hampiditra angano
Felamboahirana nanahirana ny saiko
Ny nagalako azy
Kinanjo tsy manjary,saika haningotra ny aiko.


Koa soa ihany aho fa nisaina,sy nihevitra ny ampitso
Fa saika hampitaraina sy hampibaby kitro
Ilay longoa mitoto-bozaka kinasa handatsak’aina
Hitondra varo-tsy mifody hanapitra ny aina.
Hay!!! Soa ihany!!! .
JAO Anjara
--------
Rohy:
Sokajy : tsia - Fitiavana
1137 1
Mpakafy: z'andrygasy
Hevitra mandeha
JAOANJARA ( 14/04/2015 10:20)
Mafy tokoa ny voafitaky ny olon-tiana
z'andrygasy ( 17/06/2015 15:40)
Hainao ny milalao sarin-teny, voafehinao tsara, fa ny mpanoratra ato amitsika tsy dia mankafy sarin-teny fanovana endrin-javatra
JAOANJARA ( 29/06/2015 04:50)
Misaotra anao Z'ANDRYGASY!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 14/04/2015 10:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149