TAXI BE - JAO Anjara
Azo vakiana?
Taxi be
O ! ry mpandeha hajaina
Tsy mba sasatra mandeha
Ilay nifoha maraina
Sy manome frais
Raha mba sitrakao
Ny hampaharitra anay
Aza lavina izao
Mba kajio izahay
Ny rano izay sotroina
Efa tena miha kely
Isanandro hiaramboina
Eny Ambodivonikely
Tsy mitsaha miaka-bidy
Na ny rano na ny koja
Hatramin’ny fanalahidy
Mila hivadika ho fonja
Hianao no hantenaina
Hanavotra anay
Mba tsinjovy re fa maina
Efa tena mila ho fay
JAO Anjara
Mombamomba
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARADaty : 24/09/2015
Mpamangy : 1860
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tirôliro,voliroliro“Neny”
Ity noely ity
RAHA FITIA!
Partout
Dimy taona
Fitia adaladala
Anatra
...Foana
Dify izy