You are here: home > Vetso

...Foana - JAO Anjara

Azo vakiana?

…Foana
Ny sakafo aza mamanala,
Ny fanaovan-jiroko efa foana
Ary ny ranomasoko nanjary ritra,
Hisasaka ihany ity ny alina kanefa ianao tsy hita...

Tsy indray, tsy mba indroa
Fa isan’andro izao manempoka ianao
Ny ankizy vonton-drano,tsy mipizo tory
Ho vato ihany izany fo fa mbola tsy hita ianao…

Hadisoanay ve ny hamorona akany
Hifindra lasy,hisintaka any ho any  
Hitady fasambarana,handeha hitety rano
Tsy ho tsininay fa ianao nilentika,tsy hita hatrizay

Tsofiko ny jiro, avaloko ny lamba
Ny mosoara apirimiko, fandrao ho lany andro
Handefa ny vinany, amin’olo-tsy manjary.

Mandra-pihaona  …ry adala  mahonena
Fa  ny akany miandry anao
Ilay fitia mbola ao ,fa tsy azonay hosena.

JAO Anjara

Mombamomba

Mpanoratra : JAO Anjara

Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 24/09/2015
Mpamangy : 1313
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tirôliro,voliroliro
“Neny”
Ity noely ity
RAHA FITIA!
TAXI BE
Partout
Dimy taona
Fitia adaladala
Anatra
Dify izy