Fitia adaladala (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia adaladala
Ny alin’iny aho raha natory,nieritreritra anao
Ilay isika roa niara nivory,andro maromaro izay

Hery hafa tsy nampoiziko no nanintona injao
Ny endrikao nanjary nofiko satria nambabo hay

Asa raha mba tsapanao ny am-poko tsy milaoka
Fa ny fahitana anao,toa fitia tapitr’ohatra

Rahampitso aho dia ho sahy,hanambara ilay fitia
Tsy mba hisy hampanahy,tsy hikombona doria

Adaladala aho raha nitia sy naniry anao hatramin’ny ela
Fitia handamoka sanatria,kanefa dia misisika tsy lera

Tsy ho tanteraka mandrakizay,ianao koa manatompo
Ka hokoboniko ho hay fa fitia sokosoko

Sangisangy no azo atao fa ny fitia aleo ho faty
Sanatria ny anao sy izaho,ka mandoro mahafaty

Fitiavana adala,angamba toy ny tsipolitra
Tsy ambara anao malala fa fitia tsy fanolotra

JAO Anjara
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3916 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 24/09/2015 13:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099