You are here: home > Vetso

Dimy taona - JAO Anjara

Azo vakiana?

Dimy taona

Dimy taona lasa ,misasakalina indrindra
Volana somamby,no nandrakitra diary
Ilay alina kinasa,nampitsiry ny famindra
Fony isika nifanamby,ilay voady vita sary

Volana somamby,no nandrakitra diary
Fa misy fo mitempo,hitambatra ho iray
Fony isika nifanamby ,ilay voady vita sary
Fa niendaka sy niempo,dimy taona izay

Fa nanempoka tsy nahy ilay voady vita sary
Dia nandratra ny fanahy ,tsy sahy ankarihary
Manontany aho fa tsy sahy,nahoana re no hary

Tapahiko ny tady, vereziko ny tadidy
Fa lay voady vita sary, saika ho mandrakizay
Fongana sy fay, nikodia an-kilahila


JAO Anjara

Mombamomba

Mpanoratra : JAO Anjara

Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 24/09/2015
Mpamangy : 1620
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tirôliro,voliroliro
“Neny”
Ity noely ity
RAHA FITIA!
TAXI BE
Partout
Fitia adaladala
Anatra
...Foana
Dify izy