RAHA FITIA! (JAO Anjara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA FITIA!
Tsy mba vola na harena no tadiaviko aminao,
Fa fitia sesehena toy izao anio izao,
Tsy hitady tombotsoa na variraiventy,
Fa ny any anaty fo no andrasako hirenty

Tsy hijery ny endrikao na izay hakantony,
Fa ireny dia ho rendrika,vetivety dia ho takona,
Fa ny fo fanahy… izay no ilaiko,
Tsy hisy hampanahy fa ianao no andraiko

Fitiavana doria ,fiaraha-mandramaty,
Tsy hindramina satria,ianao no tsatokaty,
Fitiavana tsy ambaka,fitia tsy kilalao,
Iriko hiori-mpaka,ao anatinao

Tsy mba ranotrambo ,fa ho mandrakizay,
Ianao no ataoko hambo,n’aiza misy ahy
Fa fitia vola ,tsy hangidy na oviana
Tsy mba mety ho tola,Izaho sy ianao ry tiana.
Jao Anjara
--------
Rohy:
4695 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JAO Anjara
Nampiditra : JAOANJARA
Daty : 24/09/2015 13:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189