Alim-pijaliana (Nofy2)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manenjika ahy ny saiko
Manantona ny nenina
Tsy hita izay lazaiko
Handroso te hiverina

Ny lasa mampatsiahy
Ireo zavatra fanaoko
Ny ho avy mampanahy
Hoe inona no ataoko?

Ilay torimaso mamy
Namangy ahy isan’andro
Nihemotra avy hatrany
Na alina na atoandro

Ny ranomasoko aza
Mirotsaka eo foana
Fafana mando lava
Tsy hay atao ahoana

Dia tsy hitahita akory
Ny fiavin’ny maraina
Ny foko ity tsy tony
Miasa re ny saina

Mangina, tsy miteny
Mahatsapa fa dia diso
Mandini-tena irery
Ahoana ny ampitso?

Nofy2
24 Nov 2011
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
3529 4
Hevitra mandeha
nivaliantsoa ( 16/10/2015 13:31)
kanto ny asa-soratrao.
tojoninofy ( 13/11/2015 06:44)
tiako be ny asa soratrao, toizo foana
Nofy2 ( 19/11/2015 11:21)
misaotra betsaka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 12/10/2015 10:56
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104