Tsy misy azo atao! (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
etsy ho fantatrao
na ho inona atao
ny fony manontolo
efa tsy anao intsony
mahaiza ianao mijoro
fa sao dia torotoro

aoka ange fantaro
aza afangaro
ny vady sy ny sipa
sy ireo zava-bita
jereo ny tanany any
voamarika avy hatrany

ka tiako ho fantatrao
fa tsisy azo atao
ny hamerina ny lasa
sy ireo izay kinasa
fa efa manambady
voafatotry ny voady

koa aoka ianao ho mino
mahaiza manadino
fa ny aminareo roa
dia rava hatreo tokoa
tsy misy azo antenaina
ny anao karakaraina

Nofy2 08 Juin 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
577 1
Mpakafy: Nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : Nofy2
Daty : 06/10/2021 15:39
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147