You are here: home > Vetso

Aoka izay - Nofy2

aleo hibaribary
rehefa tsy manjary
no sady mankarary
lazao an-karihary
aoka izay ny hetsetra
ataovy antery setra
araho amboletra
fa tapitra ny fetra

lazao am-poto-tsofiny
potsiro hatramin'ny fotony
aoka ho sarotiny
fa efa be ny lotony
aza manaiky resy
fa aoka isika ho fetsy
ka tonga ho mpandresy
amin'ny ady mifanesy

ny marina hipoaka
aleo avela hivoaka
fa efa tafahoatra
ny mahazo ireo vahoaka

Nofy2
14 Mai 2019

Hametraka hevitra

Midira aloha