ato an-tranoko ato (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tao an-tranonao aho Ray
tonga hangata-pamelana
noho ny habehan'ny fahotana

fa raha iny aho ka nipetraka
niaraka amin'ny entan-keliko
indreo ny olona niresaka
noho ny kibo tsy nafeniko
sady koa nikimokimo
nifosafosa ahy ireo mpino

nianalavitra ahy ny maro
ary koa nihatakataka
fa izy ireo mantsy mpivavaka
nefa aho olona miavaka
feno loto ny fanahiko
saingy mbola tena sahiko
ny nidirako am-piangonana
toa hita hoe mitonatonana

maro ireo nijerijery
te hilaza, te hiteny
fa tsy mendrika ahy intsony
ny manitsaka an-tempoly
noho ny habehan'ito kiboko

nitsangana aho namikiviky
nalahelo aho fa nitsiky
hanafenako ny foko
izay vonton-tsento sy toloko

ato an'efitranoko aho
no mandohalika mibebaka
fa tsy noho ny hetraketraka
fa fitiavana filana
no nampirintona ahy tsy tana

eny noho ny hadalako
sady noho ny fahotako
no nahatonga ahy toy izao
fa raha mety re Ianao
ry Andriamanitra ao ambony
mba jereo fa tena ory

Nofy2
18 Mai 2019
--------
Rohy:
786 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : nofy2
Daty : 12/05/2020 20:32
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098