ILAY TOVOVAVY - Nofy2
io ilay tovovavy
voafitaka sahady
nandao ilay nantenaina
fa hoe mitondra aina
fianarana tsy vita
satria nitondra kitra
miady samy irery
tsy misy mba mijery
nanondro molotra avy
izay rehetra mahita azy
ny havana aman-tsakaiza
nilaza azy ho ratsy taiza
i dada sy i neny
tsy nisy nahateny
ry zoky sy ry zandry
mandatsa tsy mitamby
ny ao an-tokantrano
nahitana angano
tsy nisy mba nangoraka
fa vato no natoraka
fosa no nanely
ka lavo ikalakely
avy eo vao nitsetsetra
ny mponina rehetra
koa andeha ataovy anatra
na iza no solafaka
tohano foana izy
tsy hamoy fo, tsy ho kivy
ho vonona sy ho sahy
raha reraka am-panahy
Nofy2
14 Octobre 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Nofy2

Nampiditra : Nofy2
Daty : 17/11/2021
Mpamangy : 522
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
TenyDivorsa
Tsy misy azo atao!
Sanatria!
Tiako ianao
HAFA IHANY
HATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Rehefa hanambady