You are here: home > Vetso

HAFA IHANY - Nofy2

Azo vakiana?

hafa ihany ireto dada
ilay nampianatra nibada
fony mbola fahazaza

ilay nanoro sy nanitsy
handeha lalana mahitsy
nisangisangy taminay
nefa koa mba nanafay
rehefa hita ho tsy nahay

nitady vola ho an'ny zanany
hanasoa ireo taranany
nikely aina izay tsy izy
hatafita anay ankizy

hafa mihitsy koa i neny
nitrotro anay ombieny ombieny
no nampinono fony kely

ilay nikarakara fatratra
nanao ny ainy tsy ho zavatra
nanoro anay mba ho madio
ny ratsy rehetra hoy izy ario
fa ny tsara no itafio

nampilalao tsy mba niambaka
kivarivary sy sabaka
nandaniana fialan-tsasatra
afa-po sy tena sambatra

afa-po izahay zanaka
na dia hoe tsy tonga lafatra
ny fanirianay ankizy
ho tratra antitra izay ts'izy

Nofy2
13 Juin 2019

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Nofy2


Nampiditra : nofy2
Daty : 23/08/2020
Mpamangy : 255
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

HATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Rehefa hanambady
Meteza
Rehefa
ny vady aman-janako
ahy ny fiainako
Ny vola
ny tokantranotsika