Tiako ianao (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na maro aza no tsy tia ny fiarahako aminao
Ka milaza izao sy izao
Tsy mampaninona izany, tsy ataoko mampanahy
Tiako ianao, ampy ahy

Na iza na iza hanaratsy ny mombamombanao rehetra
Sy ny etsetra sy ny etsetra
Tsy hiasako saina akory, tsy hampiova izato faniriako
Tiako ianao, dia izay no tiako

Ireo mpaneso sy mpifosa toa mivadambadan-teny
Henoko eny lavitra eny
Tsy rarahiko izany, na inona na inona lazainy
Tiako ianao, izay no tsy hainy

Nofy2
13 Juin 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1279 1
Mpakafy: nofy2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : nofy2
Daty : 13/02/2021 17:23
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157