Teny - Nofy2
teny tsotra tsy mba lava
mahafaly lalandava
nefa koa mety hampijaly
raha afenina marary
tsy mety afaka ao an-tsaina
na ezahina ho fafaina
teny nefa mahafaty,teny nefa mahavelona
toa tsisy dikany akory raha toa ka hoe tenenina
fa raha toa ka hoe sainina, dinihina ny mahaizy azy
dia voamarika ao tsara, ilay filaza miangavy
manakery
nefa kely
raha toa ka hoe vakiana
fa miteraka fiadiana
raha mivadika amin'ny dina
teny vitsy monja
nefa dia mafonja
teny be mpilaza
tsy mankaleo ny vava
ilay teny hoe "tiako ianao"
Nofy2
27 Février 2006
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Nofy2

Nampiditra : Nofy2
Daty : 08/10/2021
Mpamangy : 421
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ILAY TOVOVAVYDivorsa
Tsy misy azo atao!
Sanatria!
Tiako ianao
HAFA IHANY
HATREO
Aoka izay
ato an-tranoko ato
Rehefa hanambady