You are here: home > Vetso

IO FITIAVANA IO - Nofy2

Io fitiavana io sakaiza tena sarotra fa ady
Mbola zaza loatra ianao ka aza miditra sahady
Fa handalo eo foana rehefa any aoriana any
aza taitra na mba maika,mbola ho avy ihany izany

    Fa andeha lazaiko anao ny amin’io fitiavana io
     Saino tsara,eritrereto ary koa nge mba diniho
    Fa raha toa ka hiditra ao aoka kely mba fantaro
    Tena sarotra ny hiala dia eny izao dia efa sakano

Maro ireo nitsofoka ao,ka nisaina ny hivoaka
Sy nikasa mba handositra ary hiala sy hitsoaka
Nefa tsy afaka nanoatra
Ka nisotrosotro toaka

Be koa ireo lehilahy no voafitaka tsy fidiny
Tamin’ito olon-tiany izay nataony ho sarobidiny
Kanjo inona hoy ianao,indro hitany tsy nahy
ilay voaloham-pitiavany teny an-tratran-dry zalahy

Nisy koa ireo tovovavy,nibitabitaka ery
nanambara tamin’ny tiany fa tena tia dia tena tia
        kanjo inona no teo!,niova tampoka ny diany
Kepoka ralehilahy!foana teo ny faniriany

Ahoana ianao amin’izany mora ve ny mitia?
Mora zorina va re raha toa io no anton-dia ?
Dia eny mbola tsy tafiditra aza maika ny amin’izany
Fa raha io fitiavana io mbola handalo anao ihany

Nofy2
13 sept 2005

Sokajy : fananarana, Fitiavana

Hevitra mandeha

mandresy1 (21/11/2015 05:46:54)

marn zn kanef z mhts n tafidtr ao anatn io zvtr lazainw io satri z zw vw 16ans nf le ul miark amk vw 15ans noho izn mbl zaza zay saing ef tafiditr lalin d ts mt esorin tsn

Nofy2 (28/11/2015 16:10:46)

d toizo atram faran zan n fiaraanreo an!f az mieritreritr n isolosolo intson!

Hametraka hevitra

Midira aloha