Ny vola (Nofy2)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha ny lahy no mitantana ara-bola dia angano
tsy dia hainy loatra mantsy ny kojakoja tokantrano
tsaratsara ho an’ny vavy, izy mahay ny pitsopitsony
ny entakentana mandinika na vaventy samy hitany

fa raha ny vola isam-bolana aleo ny lahy no be karama
misy mantsy tsy ohatr’izany, midingin-drambo indray madama
miseho manjaka ravehivavy, ramose mimpirimpirina
indrindra indrindra fa tsy miasa, ilay rangahy injao sahirana

fa na be aza ny vola, aoka kely ramatoa
tohizo foana ny asanao izay no tena mahasoa
aleo mifofotra hatrany mba hajain’ny havam-bady
raha sanatria ka misy ny olana efa manana enti-miady

raha ny vola no resahina miara-miasa dia milamina
foana ny fanalikana ny ankilany sy andaniny
ny tokantrano ry zareo, fifanampiana tena tsara
amin’izay ny manodidina tsy manan-jo andeha hitsara

Nofy2 18 Decembre 2017
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1152 4
Hevitra mandeha
hery ( 29/05/2023 09:59)
Fiaraha-mitantana ihany no tena milay :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nofy2
Nampiditra : nofy2
Daty : 04/05/2019 16:40
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186