You are here: home > Vetso

Omaly sy androany - Nofy2

Omaly tahak’izao
Indreny izaho sy ianao
Mizotra soaman-tsara
Mifampiantso hoe “malala”
Tamin’iny lalana iny
Nahazo fahasambarana
Feno fiadanana
Fa an-tratran’olon-tiana

Androany vao maraina
Indreny izaho sy ianao
Mizotra moramora
Tsy maika ny ho tonga
An’iny lalana iny
Hitsena alahelo
Handao ny fifaliana
Fa handeha ny olon-tiana

Noho ny ariva an’iny
Indro izaho irery
Mizotra tsy miteny
Miondrika mijery
An’iny lalana iny
Latsa-dranomaso
Toa tsy hita hoe hankaiza
Fa manembona sakaiza

Nofy2  11 janvier 2010

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha