You are here: home > Vetso

Tsy misy mpitia - Nofy2

Iza moa no mba tia ahy,ka naniry ny hiara-dia
Hiaraka amiko tokoa,hifanampy,hifankatia
Izaho izay tovovavy tsotra,tsy dia manao ahoana loatra
Tsy mba be diplaoma, tsy mba olona mivoatra

Efa niezaka nisondrotra,nitovitovy tamin’ny hafa
Tsy nisy nefa mba niraika,tsy nisy akory mba nikasa
Izaho izay tsy be lamaody ary koa tsy be haitraitra
Tsy manintona ny maro ary tsy mba mahataitra

Tsy ananako ny bika,izaho tsy tsara manakory
Izaho dia olon-tsotra ihany tsy mba irony ambony irony
Tsy nisy mihitsy mba niherika rehefa iny aho ka niserana
Fa aleony re misioka tovovavy fanamperana

Zazavavin’ny Iarivo, mianjaika tonga lafatra
Ny tovolahy miaraka aminy no lazaina tena sambatra
Tsy mba misy mibolila na tarehy na ny volo
Fa ny aminy rehetra tena voakolokolo

Ny fiteniny amin’izany hafa raha mba samy hafa
Tsy miteny gasy intsony rehefa izy no mitafa
Ny finday eny an-tanany tsy azo kianina fa  raitra
Eny maro ireo lehilahy no taraiky sady taitra

Ary izaho  manao ahoana? Toa tsy misy izay jerena
Na dia mba manao ny tsara sy ny hoe mavahatena
Ny akanjoko mireparepa ny voloko mifato-dava
Tsy mba manana ny ampy hanatsara izato tava

Dia izay no zava-misy,he! Atao ahoana moa
Aleo ny ho avy no atao tsara izay no mety hahasoa

Nofy2
Septembre 2007

Sokajy : fiainana, Fitiavana

Hevitra mandeha

joda400 (26/01/2016 18:07:27)

manj keli v d ts mis pitia!?

leejordiernd (31/01/2016 11:42:21)

tiako be mintsy ny tononkalonao

Nofy2 (31/01/2016 19:39:11)

Mankasitrk o!

Isiomanga (25/02/2016 11:56:38)

ten tso-piaina toko ngamb enao e?

Hametraka hevitra

Midira aloha