You are here: home > Vetso

MANDEHANA - Noëlson L. ANDRIANIAINA

Tsy nampoiziko hoe ianao
No nahavita hoatr'ireny
No nanao ny tsy fanao
Ka nahatonga an'ireny
.
Ny tia moa tsy an_tery
No ifanambatambazana koa
Afaka miala tsy misy manery
Izaho tsy anozina fa mahita ny soa
.
Mahita ilay tiana tsara tarehy
Mety aminao hanao ny sitram_po
Fa izaho hiala fa hoe mampihomehy
Tsy hijanona aminao na hoe harary fo
.
Raha ny fitiavana misy fa efa simba
Ka tsy avelako fa manjary mandratra
Toa tsy tamana fa voazimbazimba
Ka aleo miala tsy misy maratra
.
Mandehana izaho mitso_drano
Mahita izay tadiavina any lavitra any
Aleo ny fitiavako hody any an_trano
Fa tsy mety aminy raha anx aminao any

Sokajy : Fisarahana

Hametraka hevitra

Midira aloha