ARAHABA (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARAHABA

Arahaba ry tompokolahy
Arahaba ry tompokovavy
Arahaba re ry lahy
Arahaba re rohy

Arahabaina ry ambany lanitra
Arahabaina ho samy salanitra
Arahaba e,arahaba
Arahaba ry havan-drehetra
Arahaba ho antsika rehetra

Arahabaina ry avy ao Atsimo
Arahabaina ry avy ao avaratra
Arahaban-tsy manadino
Arahabaina tsy hankanavaka

Arahabaina ry avy ao Atsinanana
Arahabaina ry avy ao Andrefana
Ka andeha ifandray tanana
Ho mariky ny fifandraisana

Arahabaina ry avy eto afovoany
Arahaba ry Antananarivo
Arahaba fa tafahoana
Arahaba an-jato arivo

Arahabaina ry havan-drehetra
Arahabaina isika rehetra

Ny Avo Rakoto
28/02/2015
--------
Rohy:
1828 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : nyavorakoto
Daty : 28/02/2015 13:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136