NY TONTOLONAO NO AHY (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TONTOLONAO NO AHY

Ny endrikao sariaka, ny bika mahavariana
Ny masonao miangola, mitory hafaliana
Ny famindranao midola manintona fijery :
Voaraiko anaty nofy rehefa iny manirery.


Ny tsiky atorakao dia efa ampy ho fifaliako
Ny angola teninao : mambabo izany foko
Ny diam-peninao no fitaratry ny diako
Ka mampandry indray ny saiko raha sendra ka toloko


Ny tontolo misy anao no tontolo misy ahy
Ny hirahiranao, hiraiko am-panahy
Ny ventsoventsonao, ventesiko mangina
Ny kalokalonao, kaloiko am-pitsikiana

Ny Avo Rakoto
25/08/2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1079 1
Mpakafy: Nyavorakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 23/03/2018 10:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142