IARIVO (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IARIVO

Iarivo manko,
ilay fonenako hatrizay.
Iarivo no hantenaiko,
hamerina indray
ireo lasako fahiny.

Iarivo manko,
ilay tananan'ny fahazazako.
Iarivo no handrandraiko,
ho fiorenan'ny fanantenako.

Any mantsy Iarivo,
ilay tanàna tsy mba foiko.
Ny lasako tsiahivo
voaraikitra ato am-poko.

Dia veloma mandrampihaona
Ry Iarivo izay tsy foiko
Ilay anaranao tsy ho foàna
fa ho raketiko ato am-poko.

Ny Avo Rakoto
25/12/14
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1149 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 10/02/2015 18:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141