Tiako Ianao (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao ry tanindrazako,
tiako ianao ka tsy anafenako.
Ianao no lova tamin'ny Razako
Ianao no hany mba fonenako.

Ry tanindrazako malala
Ianao irery no ato am-poko.
Tiako ianao ry gasikara
Tiako loatra ka tsy foiko.

Ianao no tiako sy lalaiko
mandram-pialam-pofon'ny aiko.
Ianao no Nosy tena mamiko
Tsy amidy tsy atakaloko.

NY AVO RAKOTO
01/02/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1558 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 03/02/2015 17:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138