Iny tsikitsikinao iny (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny tsikitsikinao iny,
No tsy amoizako ny miaraka aminao.
Iny tsikitsikinao iny,
No mampisinda ny alahelo,sy ny sento anatiko ao.

Iny tsikitsikinao iny,
dia mitondra fifaliana
mampisava ny adin-tsaiko
Iny tsikitsikinao iny,
dia tsiky mahasondriana
mamelombelona ny aiko.

Iny tsikitsikinao iny,
dia miraki-java-tsoa
Iny tsikitsikinao iny,
soa tsy manam-paharoa.

Toa satry foanafoana
hahita anao mitsiky
satriko mandavan-toana
hahita ny endrikao sariaka.

NY AVO RAKOTO
27/01/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1153 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 03/02/2015 18:19
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014