TSY MBOLA VOAFAFA (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mbola voafafa,ny diam-peninao
Ao amin'ilay diarintsika.
Tsy mbola voafafa,ilay anaranao
Tamin'ny tantarantsika.

Tsy mbola voafafa,ireo dian-tongontsika
izay niaraka namindra.
Tsy mbola voafafa,ireo lasantsika
izay mamiko indrindra.

Tsy mbola voafafa,ao an-tsaiko hatramin'izao
ireny sangintsika ireny.
Tsy mbola voafafa,hatramin'ny endrikao
ka zary nofiko ombieny.

Tsy mbola voafafa,fa voaraikitra ato am-poko
ka zary sentoko matetika.
Fa ianao ilay nantenaiko,nantenain'ity foko
kinanjo toa nilentika.

Tsy mbola voafafa,ny diam-peninao
ao amin'ilay diarintsika.
Tsy mbola voafafa,ilay anaranao
tamin'ny tantarantsika.

NY AVO RAKOTO
02/02/2015
--------
Rohy:
Sokajy : fisarahana - Fitiavana
1332 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 03/02/2015 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143