Iza no itarainako (Ny Avo Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny nofoko mijaly
Ny foko mitomany
Fa zava-miafina amiko
'ty fiainana diaviko

Toa feno mistery
ka sarotra hazavaina
Ny foko te hiteny
Ny saiko mitaraina

Ny rivotra misetra
izay mandifotra ny fiainako.
Eto ve no fetra,
fetran'ny fiainako?

Fa ny saiko dia mitady
izay mba hifaliana
kinanjo indro fahoriana
No hita mianjady

Dia ny ranomasoko mirotsaka
mandritry ny androm-piainaiko.
Ny vatako efa trotraka
iza no itarainako?

NY AVO RAKOTO
18/11/2014
--------
Rohy:
1150 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avo Rakoto
Nampiditra : Nyavorakoto
Daty : 03/02/2015 17:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144