You are here: home > Vetso

Satria tiako ianao! - ny eja

satria tiako ianao!

raha manina ahy hono ianao,
ka lasalasa ny fisainana
ireo teny mamiko iainana
ilay teny kely fantatrao
teny tsotra:"tiako ianao"

Dia raha misy any ho any
hafa sahy milaza toa izany
izaho anie ka tsy manahy
fa tsy mitovy velively
ilay fatran'ny "fitia"
izay mety atolony sy ny ahy!

Fa na dia ny fijerinao,
Ny angolateninao
ny  bikabikanao rehetra
ny mombamombanao etsetra...!
ireny rehetra rehetra  ireny
efa voafaritra voatenin'
ny fitiavako daholo
Fa latsa -damba aminao aho

dia ambarako ihany koa
n'inon'inona hiseho
na ho ratsy na ho soa
aza manahy  f'izaho ho eo
anilanao foana
ny eritreritro sy foko
ka na sento na toloko
mety mahakivy anao,
hositraniko hohitanao!

Hevitra mandeha

six (06/03/2004 16:52:02)

hainao tsara kosa ny tononkalom-pitiavana an! efa mmisy mihira zany ve io zao

booboo (29/04/2004 15:52:15)

tsara be !

aladin (30/04/2004 13:49:56)

milay e!!

nyeja (08/05/2004 09:11:06)

mankasitraka anareo tia ny sanganasako dia mazotoa mamaky ny takelaka tononkalo eto amin'ny serasera !.
io tononkalo io mbola tsy misy mihira aloha hatramin'izao fa afaka manoratra amiko ato amin'ny serasera izay manana faniriana hamoronako hira
misaotra antsika rehetra.
ny Eja

manaofitia (25/05/2004 11:49:22)

i mija aky ty a tena tsara be ny poeme nataonao io tena nalaiko mintsy ilay izy!!

harikanto (25/05/2004 21:55:00)

kanto dia kanto ny sangan'asanao ,feno fahendrena,ankafiziko tanteraka fa maharavoravo ny fo amam-panahy!! misaotra indrindra!!!!

nyeja (05/06/2004 14:48:55)

misaotra indrindra an'i harikanto sy mija aho

Malalason (16/09/2004 18:18:37)

tanteraka izany ny soratra masina hoe "na dia ny ony maro aza tsy ahapaoka ny afon'ny fitiavana"
sambatra izay manana anao fa nahazo olontiana feno T na ajekitifa malagasy io hoe : "tsara" ho toa anareo daholo anie ny Mpifankatia rehetra.

R.JO

aladin (24/09/2004 22:35:02)

tssss!!!!

nyeja (25/10/2004 10:24:49)

izany an , i malalason kosa tena mahita lazaina an hihih, misaotra mamaky ny sanganasako e ary inona no antony anaovan'i aladin hoe tsss?
misaotra sy mankasitraka e

tide (12/11/2004 02:20:15)

"Ny trano hono raha afindra dia tsy mitovy zoro"!, raha olona tsy manana fahatokisantena no tsy mahalala ny tianao ambara ry ny eja dia afaka manao fitiankafa ,fa izay manko no asiako manambara amin'ny namana rehetra fa aza atao kilalao ny fitiavana.Ny Malagasy hono dia toy ny photocopie ka mora maka tahaka,raha mijery isika dia ny vazaha rehefa mitia dia tokany ny tiany,ka manao ahoana isika no tsy mahatana tahaka izay koa?Sa ingeza ny fisainana sy fo?,sa izany ny hoe :fandrosoana sy fanatotoloina ,ka mety daholo ny atao rehetra?Ny lalana misy sapanana roa hono tsy maintsy asiana safidy ka :na tokampitiavana,na tsy manao.

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha