FANAVAKAVAHANA (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dodona aho hanimbolo
F'efa babony tontolo
Kanjo he! Indrisy!
Fa nolaviny tsy nisy!
Ny fitiavako anefa
Ve tsy nisy? mba niantefa?
Ka inona ary no tsy nanekena
Ilay fitiavana nomena?
Fa raha ny tiako dia ianao
Efa lasa adala ny aminao!
Kanjo he! Dia nolavina
Ny hafa kosa,he notiavina!
Samy mba tia ihany...
Ny iray avela hitomany
Ny iray mbombaina dokadoka
Sy totofan-dokaloka...
Samy mba tia ihany...
Ny iray avela ho any
Raha mba indro mitalaho
Tsy tiako ianao! Tsy tiako ianao!
Ny iray fotsy..., ny iray mena...
Samy olona raha jerena...
Ny iray nefa ankasitrahana
Ny iray kosa dia avahana!
...
Eto an-tany eto misy
Fanavakavahana e! Indrisy!
Tsy mba misy ny fitoviana
Fa mihilana e!...Mba rahoviana...?
--------
Rohy:
1025 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145