Ny fitiavanao ry Ray - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Azo vakiana?
Ny fitiavanao ry Ray,
Ny fitiavanao ry Ray
Tena mamiko tokoa
Na maditra aho indraindray,
Dia mbola toloranao ny soa...
Ianao no loharano
Nipoirako eto izao
Koa inty aho,tano
Fa tena vonona ho Anao!
Ny fitiavanao ry Ray,
Tena mamiko indrindra
Ary ho mandrakizay,
Tsy adinoko,tsy hafindra...
Fa vita sikotra ao anaty
Tsy mba hisy hahavono
Toa tandra enti-maty,
Mamy noho ny ronono
Ny fitiavanao ry Ray,
Tena tokam-bolo
Sarobidy ho anay
Ary tsy mba hisy hahasolo
Fitiavan-tokana tsy ariko
Raha tany koa ny tany,
Eny,hany tokana itokiako
Sy mandrapahatongako any...
Sokajy :
Fiderana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Nampiditra : sayyuk01
Daty : 09/01/2017
Mpamangy : 578
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny tsikitsikinaoHAFATRA
VAVAKA
Indray andro any
Mitia mangina
Vovoka isika
mbola tsy masaka
Eo anoloan'ny sarinao
Fangatahana
TE